<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 Mba tahionao, ry Jehovah !
 Ny tanindrazanay,
 Ho tsara sy hiova ;
 Hambininao anie !
 Ho tany izay mandroso
 Sy sambatra tokoa,
 Ka hanjakan'i Jeso
 Mpamonjy Tompo soa.

[V2]
 Mba tahio ny firenena
 Izay monina eto izao,
 Handroso hihatsara,
 Hatahotra Anao,
 Handao ny fomba ratsy
 Izay manadala re ;
 Hanary koa ny sampy
 Mampidi-doza è !

[V3]
 Mba tahionao ny mpitondra
 Nampanapahinao,
 Arovy isan'andro
 Mba tsy handà Anao,
 Tariho lalandava
 Hiankina aminao,
 Omeo fahendrena
 Hanao ny sitrakao.

[V4]
 Mba tahio koa, ry Jehovah !
 Ny fiangonanao
 Handroso lalandava
 Homban'ny heerinao.
 Hanerana ny tany
 Itoeranay izao,
 Ka isam-bazantany
 Hiondrika aminao.</lyrics>
<title>Mba tahionao, ry Jehovah! FFPM736</title>
<hymn_number>736</hymn_number>
<author>J. Stainer</author>
</song>